"IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY" - BELJIKA - 29 JONA 2024
Description
Sabotsy 29 Jona 2024
Famaranana ny fankalazana ny
"IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY"
-----*-----
Hetsika hiarahana amin'ireo "Sakaizan'ny Akademia Malagasy aty ampielezana" izay tarihin'i "Masoandrontsoa", Poety, mpanoratra, mpikambana CLUB 1808, miaraka amin'ireo fikambanana vonona ny hiaro sy hanandratra avo ny Teny Malagasy.
Lohahevitra : "TENY MALAGASY : SOMPI-PAHENDRENA"
10 ora sy sasany : fandraisana ny vahiny.
11 ora : fanombohana ny fotoana, valan-dresaka arahina takalo mahakasika ny lohahevitra.
1 ora folakandro : famaranana ny fotoana, varotra fampirantiana boky, sary hosodoko, fifanakalozana amin'ireo mpanoratra sy ireo fikambanana samihafa mivondrona ato anatin’ny Sakaizan'ny Akademia aty ampielezana, angano, antsa tononkalo, kalokalo sy fiaraha-mifaly.
VOAFETRA ny toerana (amin'ny fanatrehana ny vela-kevitra)
Mpandray anjara
Rtoa Pr. ANDRIANARISOA Hasina Olga / "Ny kabary: sompitra mitahiry ny fahendrena malagasy"
Mpampianatra mpikaroka Linguiste & Ethnologue, Tale pedagôjika Fampianarana Teny Malagasy maneran-tany (FTM), Talen’ny fikarohana Faritany FI.MPI.MA Suisse
SEM Jean Omer BERIZIKY
Masoivohon'i Madagasikara eto Benelux
Atoa RANJATOHERY Harilala A. / "Ny raki-tsarobidin'ny teny malagasy"
Mpahay tantara Filoha lefitry ny Sokajy voalohany, Haikanto sy Hailaza ao amin'ny Akademia Malagasy
Masoandrontsoa - Rojo RANAIVOARISOA / "Ny tantara an'onjam-peo sy ny tontolom-panabeazana ny fiarahamonina malagasy"
Poety - Mpanoratra, Mpilalao tantara an'onjam-peo, Mpikambana CLUB 1808
Doloïer Poeta Betsimisaraka / " Ny fahendrena malagasy hita soritra anaty lahabolana Betsimisaraka avaratra"
Zama, Mpanoratra, Mpanabe olon-tsahala, Mpampiofana, Mpanentana
Dina RABEARIVELO
Mpanakanto - Mpanao hosodoko
-----*-----
Solontena Benelux : +32 468 36 37 82
Club 1808 : +33 651 69 85 98 - contact@club1808.com
Localisation
Abbaye de Bois Seigneur Isaac , Rue Armand de Moor 2, 1421, Braine-l'Alleud Belgique